NY FOKO BARA sy BETROKA
1°)-NY FOKO BARA :
a)-Fanolorana :-ny Bara dia foko anankiray amin’ireo foko valo ambin’ny folo,mameno ny firenena MALAGASY ,na hoe: “ GASY”.
b)-Fonenany:-monina amin’ny faritra afovoany-atsimon’ny nosy ( Moyen-Sud de l’Ile) izy.Miparitaka manerana ny distrikan’Ivohibe – Ihosy-Iakora-Betroka-Benenenitra- Sakaraha sy Beroroha ary Ankazoabo iny ihany,no nisy azy ,talohan’ny Fanjanahan-tany.Rehefa resin’ny mpanani-bohitra frantsay izy vao niely
Niampita ny reniranon’i Mangoky,ka nianavaratra hatrany,nisisika ao anelanelan’ny Betsileo sy ny sakalavan’i Menabe.
d)-Fizaràny:-Mizara zana-poko efatra miavaka tsara ny foko Bara,dia ireto avy:
d.1)MAROVOLA:-avy amin’ny foko RABAKARA no niandohàny,ka avy any Ambahibe (Farafangana) no niaingàny,ka niantsoana azy hoe TAMBAHY,izay vao tafidina aty Betroka(Analafisaky/Ivahona).Telo mirahalahy izy ireo tamin’izany;ary dia nizara fanjakana toy izao:
d.11/-ANDRIAMAROVOLA:-Nanorim-ponenana ao Sahaninalo(Isoanala),ka
ny taranany nantsoina hoe : MAROVOLA.
d.12/-ANDRIATIRISIKY:-Nianatsimo ary nanorim-ponenana any Ambondro
Ambovombe/Androy,ka ny anaran’ny tany niandohàny, AMBAHY, no nataony anaran’ny tanànany,ary ny fokony dia mbola TAMBAHY ihany mba hahafantaran’ny havany aty Isoanala azy.
d.13/ANDRIAMBOLOLONOTSY:-Hiankandrefa no nialàny teo amin’Andriamarovola zokiny,kanefa hatramin’izay ka mandrak’ankehitriny,dia tsy mba nandre-nesam-baovao ny momba azy sy ny taranany. Amin’ny maha karazana ny Marovola,dia manan-drantsa-mangaika
maro izy : ao ny Tsiliso , Beremby , Tsititigny , Manindriarivo , Tetrokara…..
d.2)-ZAFINDRENDRIKO:-Bara avy any Midongy/Atsimo ny Zafindrendriko ; avy any izy vao niankandrefana,ka ny sasany nipetraka amin’iny reniranon’i Agnevo(Ionaivo) any Begogo;ny sasany kosa nanohy ny diany nitady izay malaladalaka niankandrefana hatraty Betroka sy Isoanala (Amboliala,Trokara , Ambararata/Nord ,Andalamby ,Besakoa……..) nampalaza azy
ny fananany an-dRegaky namaly vazaha (veraveran-dRegaky).
d.3)-TEVONDRO:-ialàna tsiny fa tsy foko ny TEVONDRO,fa fomba iantsoana
an-kapobeny ireo Bara avy any amin’ny manodidina An’i Midongy/Atsimo,nanamorona ny vavaranon’Itomampy iny, ka avy any izy ireo no niparitaka niankandrefana , nitady tany malalaka hiarakandrovana sy hampitom-boany ny ombiny ary hamboliany vary, dia ireto avy izy ireo:Zafimarozaha, Zafimarosoa sy Zafimitovo ary Manambia. Fiompiana sy fambolena no
antom-pivelomany.Noho izany,dia mpanarivo eny ambanivohitra ny tari- getrany,hany ka tsy hita ety an-drova ry zareo,satria sady tsy tia asa am-panjakana no tsy tia varobarotra,eny fa tsy nitia fianarana mihintsy aza
tany am-boalohany;izany no mahatonga azy ho saro-piaro amin’ny fomban-drazany,ka ny Fitsaràna aza dia tsy azon-kazony mihoatra ny dina sy ny kabary am-bodikiky (kabaron-draza)
d.4)-IANTSANTSA:-anarana iombonan’i Bara rehetra avy any Ivohibe,izay nanjakan’i tarik’i Ramasoandro (Mpanjaka Zafimagnely).Ady faritany no
tena lahasan-dRamasoandro,ka nobodoany izay rehetra resiny hatrany
Beroroha any.Raha ireo ny fisokajiana ny foko efatra ao amin’I Bara,dia betsaka kosa
ireo rantsa-mangaikany,izay vokatry ny fifangaroany sy ny fitomboan’ny taranaka: Ohatra:ao ny Zafindravola , izay teraky ny Marovola sy Antanosy; ny Zafindravala,izay teraky ny Antesaka(Tesandravinagny sy ny Betsileo) izay nanorim-ponenana ao Andriry….Ny Zafimpagnany , ny Manambia , ny Ambologny , ny Lohamofo , ny Zafimandomboky , ny Andrami
e)- FOMBA AMAM-PANAO:
e.1)- Itovizany: itovizan’i Bara rehetra ny arakandro , ny halatr’omby , ny fampiankinam-piainana amin’ny omby , ny fanambadiana , ny fande-venana sy ny fisoronana amin’ny omby ary ny hazomanga. Itovizan’ny Bara rehetra ny savatsy – havoria – bilo – soro – fafy valy sy ala togno (efi-paly), fa lava be ny fitantaràna azy io,ka tsy ho vita eto.Ny vody hena (lambin-kena),dia ny mpisorona irery ihany no tompony sy mahazo misakafo azy ; ny tsy laniny anefa dia azo hanina ihany rehefa avy misakafo azy ny LONAKY (mpisorona).(“ Western Mcar:it’s geology and Physical geography” in The Antananarivo Annual and Mcar Mzine,22 (1898), p.137-148 par GAUTHIER E.)Tsy manomboka asa,ary tsy mandevina Alatsinainy koa ny Bara.
d.2)-Fahasamihafàny:-
d.21.Amin’ny Fady:-amin’ny foko Marovola sy Zafindravala ary ny Zafim- pagnany,dia tsy mpifady,izany hoe: mahazo mifampila ny zanaky ny
mpirahalahy sy mpianadahy iray tam-po ;fa ny zanaky ny mpirahava kosa dia mpifady ary tsy azo ampifanam- badiana mihintsy na hamonoan’ omby aza ; ny Tevondro sy ny Zafindrendriko kosa ary ny Iantsantsa, dia mpifady daholo rehefa mpihavana,fa an-koatry ny zanaky ny mpiraha- vavy,dia azo ampifanambadiana ny taranaky ny mpirahalahy sy mpianadahy rehefa avy neferana omby ( fanambadia ami-troky na fanambalia ami-troky ). Ankoatry ny Marovola/Beremby,izay teraky ny Marovola/Tsiliso sy ny Maroseragna (Mahafaly) sy ny Zafindravola ,dia fady osy ny Bara. Ny Marovola dia tsy mihinana fandofom-bady sy zanaka,fa ny hafa kosa,dia mihinana..(“Moeurs et coutumes des Bara,coll.” Mémoire de l’ Académie Mche,40,Tananarive,1957.)
d.22.Amin’ny fiteny:
-manakaiky ny fitenin’ny Antesaka ny Tevondro,izay
mampiasa ( d sy tr ) raha ( l sy ts ) kosa ny an’i Bara Marovola sy Iantsatsa, fa ny Zafindrendriko kosa dia ( d sy ts ) ny azy,raha somary miavaka ny an’i Zafindravala sy Zafimpagnany,izay mampiasa ( l sy ts ) ihany koa,fa saingy milantolanto kokoa noho ny an’i Marovola sy Iantsantsa.(“L’équilibre d’une société malgache traditionnelle:les Bara de Mcar par FAUBLEE J )
2°)-BETROKA SY NY BARA:
(Ny HAKO no Niandohan’i Bara,in lakroan’i Mkara,22 juin 1969,par PAOLY BE )
2-1°) Fanokafana- Tsara ho fantatra aloha,fa “HAKO”na ( homme primitif),no nian-
dohan’i Bara. Tamin’izany fotoana izany,dia tsy alevina ny fatin’ny havany fa hanin’ny fianakaviana ho mariky ny tsy fifankafoizana;koa raha sendra maty lavitry ny havany ny HAKO iray,dia alaina haingana,fa very no ilazana ny faty tsy nohanin’ny havany,tamin’izany fotoana izany.Faritiko eto rahateo koa fa ny HAKO dia tsy olona dia na kalanoro ary tsy omba koa,fa olona voalohany,
avo sady ranjanana,fa saingy ,bola nitafy hoditra sy nonina tany anaty lakato.
Nihamandroso ny Fiainan’i HAKO,ka vokatry ny fifampikasohany
tamin’ny foko Betsileo sy ny Tatsinana, dia niova tsikelikely ny fomba fiainan’izy ireo ,ary dia niova ho KIMOSY ny anarany,nanomboka teo.
(“Les Kimos de Mcar” ,in Bulletin de l’Académie Malgache, 8, 1910, Tananarive,1911,p.65-67.par COPALLE A)
Nanana Mpanjaka atao hoe: Baroa izay ny Kimosy,ka nasainy
niala tamin’ny fonenana an-dakato ny vahokany fa nampamboariny trano
bokoky avy eo niova ho trano tratrakena ary niafara amin’ny trano valozoro.
Avy eo,dia nasainy nalevina amin’izay koa ny maty fa tsy ho hanina
intsony,ka fasana iombononana no nampanaoviny,mba hiarahana milevina.
( A propos des Kimosy ou le mythe des pygmies malgaches (suite),in Bulletin
de Mcar,23(sept—oct 1973)324,p.579-
Tsy vitan’izay ihany,fa navelan’i Baroa ,niaina anka-lalahana ny
vahoakany; navelany samy nanao izay saim-pantany , ka nahatonga ireo
foko hafa nifanila-bodirindrina taminy nanome anarana ny fanjakany hoe:
fanjakan’i Baroa , samy manao izay saim-pantany,tsy misy mpifehy,tsy misy
fehezina,fa baranahiny,ka nanomboka tamin’izany fotoana izany dia vahoaka
baranahiny no niantsoana ny vahoakan’i Baroa,ka io baranahiny io no noha-
fohezina hoe BARA;ary habaranahiny tamin’izay no mahatonga azy mandraka
ankehitriny,ho samy manana ny fombany , sy ny fadiny ary ny fiteniny.-
22°)-BETROKA:-Iniako tsy tenenina etoana ny anaran’io Betroka io taloha,fa avy hatrany dia ny nahatonga io anarana io no hambarako eto.
Tamin’ny andro faha-Gasy,dia niady efi-tany ny Bara,izay za-dratsy ny fiainany baranahiny ,izay nonina tety , ka maro ny maty .Ny olo-maro tsy ilaozan’izay hendry, ka nahita hevitra hampihavanana azy ,dia ny fampanaovana fati-drà isam-poko ny vahoaka isam-pokony.Mbola tsy nisy fati-drà lehibe toa an’izany tety ambony tany.Koa satria “ TROKY “,no ilazana ny fati-drà aty, dia izay no naha-BETROKY an’ity tanàna ity,satria tery amin’ny siniben-drano ankehitriny io ny toerana nanatante-rahana ny TROKY BE.Vokatr’izay moa ,dia lasa mpitroky na mpisoma,na koa mpiziva ny bara samy bara. Izany no mahatonga ny bara tsy mba miziva amin’ny foko hafa,fa amin’izy samy izy ihany.
- 5 -
3°)-NY BARA SY NY AMBANIANDRO:-Raha naniry mafy ny hanjaka manerana ny Nosy ny Mpanjaka ANDRIANAMPOINIMERINA,dia nikasa hanatanteraka an’izany Radama I,zanany ; fa saingy,rehefa nampilavo lefona ny Bara tao Ivohibe sy Ihosy izy , dia vaky nandositra kosa rehefa tsy nahatosika ny Bara teto Betroky,ka tao ANDROTSY,30 km Avaratr’i Betroky ry zareo vao tafa-janona,ary nanomboka tamin’izay dia Androtsinambaniandro no niantsoana io toerna io hatramin’izao,ary dia tsy niverina taty intsony ny tafiky ny Ambaniandro.Mandalo eo ny lalam-pirenena faha-13.
4°)-NY BARA SY NY MPANJANAN-TANY:-Taorian’ny tafiky ny Ambaniandro,dia tonga koa ny mpanjanan-tany frantsay.Voafehin’ny tafik’ingahy Galliéni daholo,ny faritra rehetra teto Madagasikara,fa ny faritr’Ibara kosa,dia tsy novoafehiny,ka nantsoiny hoe: “POCHE DE RESISTANCE”.(Opération d’Octobre 1896 à Mars 1899).La pacification de Mcar par GALLIENI.dans Ouvrage rédigé d’après les Archives de l’Etat-Major du Corps d’occupation par F.HELLOT,capitaine du Génie,Paris ,1903)
May volon’orona ingahy GALLIENI,raha novonoin’i Bara teto an-tampon-tananan’i Betroka REMENALAVA , vazaha nalaza tamin’ny siaka,ka voatery nanafatra manam-pahaizana manokana amin’ny fampandrian-tany.Tsy iza izany fa ny Capitaine LYAUTEY H.L.G,izay tsy nihambahamba fa avy hatrany dia nampiasa ny paik’adiny:
1°)niditra an-tsehatra avy hatrany izy araka ny (Pénétration militaire dans le Sud, situation politique et économique.1900-1902,Paris)
.2°) nosarahany ny firaisan-Kinan’i Bara,ka Iakora nalefany any Fianarantsoa , Benenitra nalefany any Toliara ary Betroka ,mialoha ny hampidirany azy any Fort-Dauphin , dia nataony “Province Militaire de Pacification);izany hoe,niainga avy eto Betroka ny fibaikoana rehetra. (Mcar de 1896 à 1905. Rapport du Général Galliéni, Gouverneur Général,au Ministre des Colonies ,le 30 avril 1905, Tananarive,1905) .
Koa rehefa nafam-pana koa ny fitakian-tsika fahaleovan-tena,dia nesoriny teto Betroka aloha ny fibaikoana, ary nafindrany any Toliara sy Fort-Dauphin dia isika any ANOSY izao,mandraka ity ny androany.Koa raha te-hampivoatra an’ity Betroka ity dia tokony haverina aminy ny fiandrianany : Province teo aloha,na Région ankehitriny. Izany no tantaran’ity Betroka ity sy foko Bara amin’ny am-bongadiny,fa raha jerena tsirairay,dia mbola betsaka noho ireto no tsy voateny.
- 6 -
5°/-FAMARANANA:
Dia izay aloha ny masaka azo naroso,fa raha ny tantaran’ity Bara ity,dia tsy nomen’i Gasy ny vazaha ny tantarany,noho izy ireo noraisiny ho fahavalo,fa vao ireo misionera vazaha mpitory fivavahana no nahazo sombin-tsombiny tamin’ireo mpino voatarika,fa lovan-tsofina daholo no tena nahazoana ny tantara.Koa indro omena anao etoana ny boky hanamarinanao an’ity tantara ity sy hamenoanao ny banga.
(Tsy iaho gny mavandy fa gn’olo-be taloha.)
-ACKLEW:-Comment des poplations Bara se sont ouvertes à la foi , (nov,dec 1967)11-6,p.185-188
-BARON :-The Bara,in the Antananarivo annual and Mcar Mzine,II,a reprint of second four numberss (1881-1884),5,Antananarivo,1896,p.82-84
-BASTARD E.J:-Mémoires d’un roi BARA,in Revue de Mcar,6(10 juin 1907)6,p.385-508;7(10 juillet 1905)
p.232-246-354.
-RICHARDSON J :-Ny Bara sy ny Tanosy ;Tananarive,1878
-SALLE :-Bara(Région de Midongy:clans Zafimandomboka et Zafimarozaha),in Bulletins et Mémoires de La Société d’Anthropologie de Paris,1907,p.393-399.
-SIBREE J : The Western Ibara and their customs,in The Antananarivo annual and Mcar Mzine, Reprint,Antananarivo,1885,p.227-237.
A Betroka,le 26 Février 2014
Ny LONAKY ALIMANA Rémi ,
Commandeur de l’Ordre National Malgache
033 12268 73