A-TENY FANOLORANA
Isan'ny taranja manahirana ary mampitaitaina ny ankizy ny taranja Tantara sy jeografia. Indrindra fa any amin'ny Baccalaureat. Etsy ankilany ny habetsahan'ny lesona, eo ihany koa ny tsy fahafehezana ny mrtodôlôzia.Hanampy anao tanteraka ity lahatsoratra ity fa aza matahotra. Lahatsoratra izay nohamoraina tanteraka ny fanazavana. Natao mba ho mora azo nefa mahomby. Tsara ny manamarika ety ampiandohana fa ny famankafankan-kevitra Tantara sy jeografia dia mitaky ny fahaizanao ny lesoa tany ampianarana. Nefa zava-poana izany raha tsy hainao ny mampiasa izany amin'ny famoaboasan-kevitra.
B-EO AMIN'NY FOND
Ny famoaboasa-kevitra Tantara sy Jeografia dia asa mitaky fahankingan-tsaina. Ny fahaizana tsianjery maimbo ny lesona dia tsy ampy. Hamafiso ny fahaizanao manao amin'ny alalan'ny famakiana gazety, fihainoana haino aman-jery
Tiavo ny taranja Tantara sy jeograpfia. Isan'ny sakana goavana tsy hahaizanao ny taranja ny tsy fitiavanao azy. Koa ataovy fitia mifamaly ary e. Tiavo ny H.G. ny hahazo naoty tsara ianao amin'ny BACC.
Ny famakafakan-kevitra Tantara sy Jeografia dia tsy maintsy ahitana ireto zavatra telo (03) ireto:
- Ny teny fampidirana
- Ny famelabelarana
- Ny teny famaranana
I-NY TENY FAMPIDIRANA
Ny teny fampidirana dia tsy mihoatra ny 15 andalana. Tsy midina andalana fa tohizana hatrany. Tsy maintsy ahitana ireto singa ireto:
Ny hodidina (ara-tantara/ara-jeografia)
.Ataoa anatin'ny fehezanteny roa (02). Ka ny iray voalohany dia miresaka ankapobeny ny laza adina, ary ny fehezanteny faharoa kosa dia miresaka manakaiky ny laza adina.
Raha tantara: ny hodidina dia tsy maintsy miainga amin'ny tranga ara-tantara alohan'ny vanim-potoan'ny laza adina izay anadinana anao.
Raha Jeografia, afaka mampiasa famaritana ianao.
Fampidirana ny laza adina:
Avereno adika ny laza adina amin'ny alalan'ny filazana ny heviny amin'ny ankapobeny.Ovay ny firafitrin'ny fehezanteny fa kosa tsy miova ny heviny.
Petrak'olana:
Fanontaniana iray izay natao hovalian'ireo fizarana roa na telo ao amin'ny famelabelarana. Mba hahitanao ny petrak'olana, tsy maintsy manangana drafitra ianao
Drafitra:
Lazao araka ny filaharany ny drafitra hitondranao ny asanao. Aty amin'ny taranja Tantara sy Jeografiadia tsy sarotra ny manangana drafitra, satria ilay drafitra efa hitanao amin'ilay fanontaniana izay mipetraka.
II-NY FAMELABELARANA
Ity no lava indrindra amin'ireo telo ireo.Fa kosa tsy natao hatahorana. Nianatra lesona tsara ve ianao? Fotoany izao hampiasanao azy. Reseo lahatra ny mpitsara amin'ny alalan'ny fandesendahatra mafonja.
- Raha Tantara: Mitantara no ataonao
- Raha jeografia: manazava no ataonao
Ny fizarana tsirairay dia tsy maintsy misy zana-kevitra telo (03) na roa farafahakeliny.Hazavao tsara fa aza manao resabe. Tsy ny halavana'ny asa no mi-compte fa ny fahaizanao mandresy lahatra ny mpitsara.
III-NY TENY FAMARANANA
Toy ny teny fampidirana, atao ao anatin'ny andalana 15 raha lava indrindra ny teny famaranana. Tsy azo atao ny midina andalana.
Misy fizarana telo (03):
Famintinana:
Fintino ny tsirairay ny fizarana rehetra hita tao amin'ny famelabelarana.
Valin'ny petrak'olana:
Valio amin'ny fehezanteny tokana ny petrak'olana.
Teny fisokafana:
Atao miendrika fanontaniana. Ento mivoaka ny adi-hevitra. Manaova fanontaniana miendrika adi-hevitra vaovao nefa mifandraikitra amin'ny laza adina izay avy novoaboasina.
Sotony mankany amin'ny lesona manaraka.(Ohatra: raha ny vokatrin'ny Ady lehibe faharoa ny laza adina , ny teny fisokafana= Ny firenena mikambana.
D-EO AMIN'NY FORME
- Mikisaka carreaux roa na telo raha vao hanomboka ny teny fampidirana , nybfamelabelara ary ny teny famaranana.
- Mandingana tsipika roa manelanelana ny teny fampidirana sy famelabelarana. Toy izany koa ny famelabelarana hiditra amin'ny tenybfamaranana
- Ny fizarana roa dia tsy maintsy elanelanin'ny tetezamita (fehezanteny izay mampiampiata ny fizarana teo aloha hidirana amin'ny manaraka
C-IREO ZAVATRA FADIANA:
- Fadio ny manao fanafohezan-teny toy ny:@firnn...ankoatra ireo izay efa iraisan'izao tontolo izao, toy ny:U.R.S.S., U.S.A.
- Fadio ny manao resabe.
- Tandremo ny kosokosoka, raha misy izany, aza kosehina tsipiho mahintsy eo ampovoany